" Misy ranomaso ao am-poko
Toy ny fisian'ny orana eny am-bohitra.
Inona ary izato alahelo
Maninteraka ao am-poko ?
O ry feo malemin'ny ranonorana
Ery an-tany ary ery an-tafo !
Ho an'ny fo valabalaka,
O ry hiran'ny ranonorana ! "
Jean Joseph RABEARIVELO
Traduction du poême de Paul VERLAINE
" Il pleure dans mon cœur
comme il pleut sur la ville.
Quelle est cette langueur
Qui pénètre mon cœur ?
O bruit doux de la pluie
Par terre et sur les toits !
Pour un cœur qui s'ennuie,
O le chant de la pluie ! "